1 Fa hianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.

2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'ny Zanak'Isiraely.

3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah, Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy.

4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanintsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.

5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tannany ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.

6 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.

7 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an-ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman-osy : Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.

8 Aoka haingaina amin'ny rafilahinao ny tnanao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.

9 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao;

10 Hofoanako ny tanna amin'ny taninao, Ary harodako, ny tannanao mimanda rehetra; 

11 Hofoanako tsy hisy amin'ny tnanao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony hianao.

12 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tnanao intsony hianao.

13 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tannanao.

14 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
